coDE MENABE

"GNY FIFANDRAISANA ROLAHY RO MAMPIVOATSY"

HIADY NY ZON’NY VOI MPITANTANA HARENA VOAJANAHARY ATY AMIN’NY FARITRA MENABE NY FIVOY

Fanaovan-tsonia fifainarahana teo amin’ny MEDD sy ireo vovonana VOI mpitantanana harena voajanahary

Efa naharitra enina taona izay no tsy nahazo nisitraka ny zo nentim-paharazana (tsy nahazo nanapaka hazo) ny VOI ato amin’ny faritra Menabe nohon’ilay note de service nomerao 2124/18/MEEF/Mi navoakan’ny Ministeran’ny Tontolo Ianana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tamin’ny 08 Desambra 2018. izany no nantoany satria nirongatra izay tsy izy no fahatopehana tato amin’ny faritra Menabe indrindra ny tao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena. Araka ny vaovao nivoaka isan’andro nivoaka tamin’izany fotoana izany dia naneho saika ho isan’andro ny firongotry ny fahapotehana nanerana ny nosy. ry dia nanapa-kevitra indray ny Ministeran’ny Tontolo ianaina sy Fandrosoana Lovainjafy fa tokony andraisana fepetra tahaka any Menabe koa ne manerana ny nosy ary dia nivoaka indray ny Note d’instruction laharana: 01/19/MEDD/Mi tamin’ny 29 Janoary 2019. Ary nanomboka teo dia nahatsapaka fa tena voahitsakitsaka ny zo anana’ny VOI izay nomeny lalana GELOSE azy izay afapa manapaka hazo any amin’ny faitra fakana zo nentim-paharazana. Noho io tranga njavatra io dia maro ireo pitantana faritra arovana sy Firaisa monim-pirenena no nitaraina tany aminy Ministera mba hanaisotra ilay note fa tena mijaly ny VOI ary sahirana koa ireo pitantana satria manentena ny olona hiaro sy hamboly hazo nefa izy tsy mba mahazo misitraka ny zo nentim-paharazana. Nadia efa nisy izany ezaka izany dia nandamoka avokoa satria nandeha irery ny izay nana hetaheta mba te hiady ho an’ny VOI. Ary tamin’ny ity taona ity ny Federation Fivoi Menabe dia tena nanapakevitra fa tena hiady ny zon’ny VOI mpitantana harena voajanahary satria tena voagejan’ireo note ireo. Efa nisy ihany ny arrete Interministeriel 32 100/2014 izay mandrara ihany koa fanapahana mangrove fa mbola nahazo namoaka permis ihany ny taty amin’ny faitra Menabe. Satria ireo note sy arrete ireo, ny Ministera no namoaka azy ary izy ihany koa no manana fahefana hamaha azy. Ary dia nanapakevitra ny Fivoi Menabe fa VOI hiantso ny VOI eran’ny Madagasikara sy ireo Firaisamonim-pirenena namana sy resilahatra amin’ny fanomezana ny zo ho an’ny mpitantana harena voajanahary. Ary nanomboka ny alatsinainy faha 17 Jona 2024 ka hatramin’ny 18 Jona 2024 dia nisy Dinika nationaly ho fiantohana ny zon’ny vondron’olona ifotony mitantana harena voajanary, izay notohana’ny WWF Madagascar vola. Ary ny CNPE, reseau Mihary, TAFO MIHAAVO no niara nanatontosa taminay ny asa rehetra. Vokany resy lahatra ny Ministera roa tonta dia ny MEDD, MEPB fa tokony omena ny VOI ny zo efa nomen’ny lalana azy ary efa voatolotra eo anivony Gouvernementa ny volavola-kevitra mahakasika izany araka ny filazan’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy. Ary nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia ny Engagement ny tsirairay ho fapahombiazana ny ezaka rehetra tsy hahalany ritra ny harena voajanary eto Madagasikara fa mba ho lovainjafy. Mitodika tanteraka any amin’ny Governemanta ny fijerin’ny (maso) VOI amin’zao fotoana izao ny amin’ny famahana ny olona mba hisitrahan’ny zo efa ananany.